Base Toliara: Hisarika mpampiasa vola hafa ny tetikasa

Natao tao an-tampon-tanànan’i Toliara indray ny hetsika fampahafantarana ampahibemaso ny fisokafan’
ny Ba­se Toliara, ny alarobia 18 desambra teo, taorian’ny tany amin’ny kaominina Anki­lima­linike. Nohamafisin’ny ta­len’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny rafi-panjakana, Maha­faritsy Samuel, fa tohizana ao anatin’ny 14 volana ny asa sosialy, ny fanonerana ara-bola ny tompon-tany sy fasana hafindra. Notsipi­hiny fa laharam-pahamehana ny fampidirana mpiasa ny mponina eny ifotony. Maherin’ ny 3 000 ny mpiasa mivantana sy tsy mivantana ary ankolaka ateraky ny tetikasa, mandritra ny fananganana ny fotodrafitrasa sy ny fitrandrahana. Tanjona ny ho mpiasa vahiny iray amin’ny Malagasy 1 000 ato anatin’ny 10 taona. Na­hafahana nanatsara ny tombontsoa iraisana eo amin’ny fanjakana sy ny orinasa ary indrindra ny mponina eny ifotony izay 5 taona nampihantoana ny Base Toliara izay. Tsiahivina fa mitentina 700 tapitrisa dolara ny fampiasambolan’ny Base Toliara. Ity orinasa ity no orinasa mitrandraka harena an-kibon’ny tany vaventy fahatelo eto amintsika. Hisarika ny mpampiasa vola vahiny hafa ho avy aty Madagasikara iza­ny. Nano­lotra vary 350 gony ho an’ireo mponina any amin’ny fokon­tany miisa 24, voakasiky ny tetikasa ny orinasa Base, ny alakamisy teo, ho endrika «nofon-kena mitam-pihavanana », amin’izao fetin’ ny faran’ny taona izao.

Njaka A.

Partager sur: