Ankizivavy tsy ampy taona naolan’ny ray niteraka azy ka bevohoka telo volana, tetsy Sabotsy Namehana. Voasambotra ny nahavanon-doza, omaly.
Nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly, ny raim-pianakaviana iray voatondro ho nanolana an-janany vavy teny Atsimontsena, kaominina Sabotsy Namehana. Tsy ampy taona io zanany vavy io. Miara-mitaiza ireo zanany anefa ity lehilahy ity sy ny vadiny. Nanamparan-drangahy ny filan-dratsiny ilay zazavavy tsy manan-tsiny rehefa tsy eo an-toerana ny reny niteraka. Tsy naharaka na inona na inona ity farany. Nitohy ny habibiana nataon’io tsy mataho-tody io an-janany. Simba tanteraka ilay ankizivavy. Tsy sahy nitoroka noho ny tahotra ho vonoin-drainy anefa izy. Ankoatra ny fanolanana nianjady taminy, niharan’ny fandrahonana koa ilay lasibatra. Nanomboka hafahafa ny fihetsik’ilay ankizivavy nanoloana ny reniny.
Nitoroka
Nahatsikaritra ny fiovan-janany, nanomboka nanadihady ny nahazo an’io ankizivavy io ilay reniny. Voamarina tamin’izany fa niharan’ny fanolanana izy. Notiliana teny anivon’ny mpitsabo, tsy vitan’ny voaolana fa nitoe-jaza telo volana mihitsy io niharan’ny fanararaotana ara-nofo io. Tsy nanaiky, nitondra ny raharaha teny anivon’ny mpitandro filaminana ny renin’ny lasibatra. Tamin’ny alalan’ny famotorana ilay ankizivavy, atidoha tamin’ny fanolanana nihatra taminy ny rainy. Herinandro taorian’izay, voasambotra ny nahavanon-doza. Nentina atao famotorana eo anivon’ny zandarimaria ka hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.
Tsiferana R.