ESGN : Nivoaka ireo mpiofana

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena (ESGN) ao Moramanga, omaly, ireo mpiofana miisa 91 mianadahy. Nahitana manamboninahitra ambony miisa 15 sy manamboninahitra lefitra miisa 76. Teo koa ny andiany faha-28 amin’ny fiofanana ambony momba ny fibaikoana sy fitantanana ny fandriampahalemana. Ny andiany faha-38 amin’ny fiofanana ara-miaramila sy arakasa, nahitana manamboninahitra lefitra 44 nahazo ny galona Zandary fototra kilasy faharoa, ahitana vehivavy miisa 10. Ny andiany faha-9 amin’ny fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana maha mpikaroka porofo ara-teknika sy ara-tsiantifika, nahitana manamboninahitra lefitra miisa 32. Nisy fankasitrahana nomena ireo mpiofana nahazo voalohany isaky ny andiany sy ireo manamboninahitra ambony miisa efatra avy any Togo, nandranto fianarana tao amin’io sekoly ambony io. Zava-dehibe ny fankaherezana ireo zandary nahavita fiofanana, ho fanamafisana traikefa, satria izy ireo no hiasa eny an-kianja, hisahana ny fampandriana fahalemana eny anivon’ireo vondrom-bahoakam-paritra manerana ny Nosy.

Jean Claude

Partager sur: