Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fankalazana ny faha-10 taona nijoroany ny fikambanana Syndicat autonome de la Commune urbaine d’Antananarivo (SACUA) amin’izao fotoana izao. Hatao ny 24 janoary 2025 ho avy izao ny fety hanamarihana izany. « Miantso ireo orinasa nanaovana taratasy fangataham-piaraha-miasa (demande de partenariat) izahay mba hamaly izany», hoy ny filohan’ny sendikà SACUA, Jaona Clément Nirintsoa, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsimbazaza. Nahemotra hatramin’ny faha-24 desambra izao ny fahafahana mandray ny valiny avy amin’ireo orinasa ireo, raha toa ka tokony ho nifarana tamin’ny 13 desambra teo izany, raha ny fanazavana voaray. Mba hahafahana mandrindra ny lamina rehetra, sy eo amin’ny lafiny fikarakarana ny antony anaovana izany. Mahatratra eo amin’ny 47 eo ireo orinasa nandefasana taratasy fangataham-piaraha-miasa. Antom-pisian’ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo ny mponina eto Antananarivo sy ireo orinasa maro manohana azy. Noho izany, tsy maintsy manome tombony ho an’ny mponina izy ireo. “Hametahana ny famantaranora lehibe eo amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, sy entina hanatsarana ny sosialin’ny mpiasa ao anatin’ny fikambanana ny vokatra azo rehetra amin’ny fankalazana sy izao fiaraha-miasa tadiavana izao”, hoy ny filohan’ny sendikà, Jaona Clement Nirintsoa.
Mino