Famaranana ny “Reko Tour 2024”: Maro ny tsy ampoizina homanin-dry Fy

Fanamby goavana be! Anisan’ny fampisehoana lehibe andrasan’ny maro amin’ity faran’ny taona ity ny hotontosain’ny Reko Band rahampitso 22 desambra, manomboka amin’ny 3 ora, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Goavana satria sambany vao hisedra irery ity toerana ity ny tarika. Io rahateo ny toerana lehibe indrindra hanaovan’ny Reko Band fampisehoana irery, tao anatin’izay 5 taona nizaran’ny tarika ny mozikany izay.
Goavana, saingy azo tratrarina tsara ny tanjona, raha ny fahafantarana ny Reko Band hatramin’izay. Nandritra ny “Reko Tour 2024” izay hofaranana rahampitso io, namaly ny fanasan-dry Fy sy ny tariny hatrany ireo mpankafy. Azo antoka fa mbola ho maro kokoa izy ireo, satria maro toy izay ny tsy ampoizina efa nomanin-dry zalahy. Efa nambarany fa fotoana hiavaka, hampiainana ny fo sy fanahy, amin’ny alalan’ny seho hojeren’ny maso sy ren’ny sofina io. Tsy maintsy notsongaina manokana ireo hira izay alahatra, ary misy tamin’izy ireny no niverenan’ny Reko ny rindra, mba hifanaraka amin’izay tanjona izay. Misy ampahany maro iaraha-mihira, satria efa nanomana tononkira ho an’ny mpijery ny tarika. “Hafa mihitsy”, araka ilay hira anisan’ny nahafantarana ny Reko Band izy ity. Mitodika any amin’ny mpankafy sisa…

Zo ny Aina

Partager sur: