Fanabeazana : 30 taona ny Zanabaliha

Taona 1982, tafahaona ireo tanora vitsivitsy nahatsiaro fa misy lesoka goavana eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy ny kolontsaina malagasy. Nandray andraikitra avy hatrany. Nampianatra, nanabe, ireo ankizy sy tanora nila izany… Taona 1995, tafatsangana ara-panjakana ny Zanabaliha, ahitana sampana efatra. Feno 30 taona amin’io taona mitsidika io ny maha ara-dalàna ity sehatra ifampizarana ny mahasoa sy hamerenana ny hasin’ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy ity.
Hisy fiovana lehibe eo anivon’ny Zanabaliha, manomboka ny taona 2025. Hiverina ny sampana kabary, dihy malagasy ary ny soratra. Hampitombo sehatra maro hanehoana ny voka-pikarohana sy ny fampianarana ny sampana valiha. Hiaraka hatrany hanatanteraka hetsika ireo sampana ireo.
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-30 taona ny hatanterahina seho sy famoahana voka-pikarohana maromaro. Marihina fa nametraka hafatra sy fanabeazana mafonja ho an’ny Zanabaliha ny Pr. Albert Rakoto Ratsimamanga, filoham-boninahitr’ity sehatra lehibe ity. « Io hafatra io no tanterahina sy tohizana ary velarina », hoy ireo mpikambana mpanorina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: