Elenelam-bato iray ny manasaraka ny kandidà Irmar sy ny Tim ao Antsirabe. Samy 44, 54% fa saingy nanantombo ny vaton’ny antokon’ny fitondrana. Miisa 19 822 ny azon-dRasamimanana Honore, raha 19 821 kosa ny azon’ny Tim Firaisankina, amin’ny alalan’ny Me Rabenandrasana Ravaka.
Kandidà tokana voafidy avy hatrany Andriambolanarivo Parisoa na mbola voka-pifidianana vonjimaika. Ben’ny Tanàna am-perinasa ao Imerintsiatosika izy amin’izao fotoana izao ary tsy nisy kandidà nifaninana taminy tamin’izao fifidianana ben’ny Tanàna izao. Hanohy ny fe-potoam-piasany indray izany izy.
Hitohy anio ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ho an’ny ben’ny Tanàna. Anisan’izany ny any amin’ny faritanin’i Mahajanga. Hatao ao amin’ny tranoben’ny kolontsaina any an-toerana izany. Hifanindran-dalana amin’izany koa ny famoahana ny voka-pifidianana any Antsiranana. Anjaran’ny any Toamasina sy Fianarantsoa ary Toliara kosa ny alatsinainy izao.
Misahana ny fikirakirana sy famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny rafitra eny anivon’ny faritany (Spatrec). Anisan’ny asany ny fanjohiana ny asan’ny ekipa. Mihaino ireo olana samihafa, ary mandroso vahaolana hisorohana ny sakana isan-karazany. Manaraka akaiky ny fizotry ny fikirakirana, mialoha ny hamoahana ny fanapahana isaky ny faritany.