Judo – “Mada Vétérans” : Namiratra i Mamy, i Luc ary i Vestalys

Natao teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, omaly, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy vétérans, taranja Judo. 24 ny mpikatroka nandray anjara izay nizara ho sokajy M1 hatra­min’ny M7. Raha atao bango to­kana ny valin’ny fifaninanana, tamin’ny alalan’ny Ippon avokoa ny ankamaroany na­ha­zoan’ny mpikatroka ny fandresena. Anisan’ny tena nandrasana ny fiakarana tatami ho an’i Mamy Ndongoza, na­hazo fandresena tao anatin’ny sengondra vitsy. Toy izany koa Rasoa­naivo Luc, dadan’i Laura, nampiseho teknika miavaka ary i Vestalys, efa nandrombaka anaram-boninahitra tany ivelany, teo amin’ny sokajy Vété­rans. Mbola nampiseho ny traikefany na­noloana ny mpifanandrina ta­miny ity farany ka nivoaka ho mpandresy tamin’ity fiadiana ny tompondakan’i Mada­ga­sikara ity. Ni­ara-dalana tamin’ity fifaninanana ho an’ny Vé­té­rans ity ihany koa ny ho an’ny Kata, izay vita omaly ary efa fantatra avokoa ireo nandrombaka ny anaram-boninahitra. Hitohy anio ny fifaninanana ka hotanterahina amin’izany ny fiadiana ny amboaran’i Mada­ga­si­kara eo amin’ny sokajy Mini­me, Cadet, Juniors, Seniors.

Mi.Raz

Ireo tompondaka (-81Kg) : Rasoanaivo Razafy Luc (ASM), (-66Kg) : Rasolon­draibe Mamy Ndongoza (HAK), (-60Kg) : Vestalys H. (ESC), (+78kg) : Randriana­rivao V. (WJM), (-100kg) :Ramparany M. (ASM), (-90kg) : Razafimpanja (ASM).

Partager sur: