Masoivoho japoney-Unicef: nijery ny asa vita teny ifotony

Nanatanteraka fidinana ifotony any amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany, atsimo atsinanan’ny Nosy, miaraka ny masoivoho japoney sy ny solontena maharitry ny Unicef eto Madagasikara. Nandritra ny hateloana izany ka nifarana omaly. Anisan’ny mpamatsy vola ny Unicef eto Madagasikara ny firenena japoney. Ny taona 2023, nanome fanampiana ara-bola mitentina 1,7 tapitrisa dolara i Japana ka nitsidika ireo asa vita tamin’izany izy ireo.
Ny sehatry ny fanjarian-tsakafo, fahasalamana, rano, fidiovana sy ny fanadiovana no niantefan’ny famatsiam-bola. Anisan’ ireo toerana notsidihina ny tobim-pahasalamana ao Soamanova sy Ampasimalemy ary ny faritr’i Mavogisa, izay nanatanterahana ireo asa nentina hanatsarana ny fari-piainan’ny vondrom-piarahamonina.
Nitokana ny fampiakaran-drano vaovao izay fotodrafitrasa hitondra tombontsoa mivantana ho an’ny mponina ao an-toerana koa ny masoivoho japoney, nandritra ny fitsidihany .
Hanasongadinana ny fiantraikany tsara amin’ny fiarovana ny ankizy, ny fanatsarana ny fidiovana sy ny fanadiovana ary ny fanabeazana eo amin’ny vondrom-piarahamonina no tanjon’ny fidinana ifotony.

Vonjy

Partager sur: