Notontosaina ny 19 desambra 2024, tao amin’ny salle d’honneur an’ny minisiteran’ny Foaloalindahy Ampahibe, ny jery todiky ny asa vita teo anivon’ny minisitera, nandritra ny enim-bolana faharoa ny taona 2024. Nitarika izany fanaovana jery todika izany ny minisitry ny Foaloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, ny SG-n’ny MFA, ny Vice Amiral Assany Bemarivo, ary ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo. Samy namelabelatra ny asa vita sy ny olana novahana nandritra ny fanatanterahana izany asa izany avokoa ny avy eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika ary ireo sampandraharaha samihafa eo anivon’ny minisitera. Nanamafy ny MFA fa zava-dehibe ny fanaovana jery todika satria ahafahana manao ny tomban’ezaky ny zava-bita. Eo koa ny fanamafisana ny ezaka rehetra ary manarina ny lesoka mba hahafahana mandrafitra paikady vaovao mahomby kokoa ho amin’io taona ho avy io. Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fahaiza-manao sy fanamafisana ny maha olona eo anivon’ny Tafika. Ny fampihenana ny tahan’ny tsy fandriampahalemana manerana an’i Madagasikara no niompanan’ny asa sy ny ezaka natao nandritra ity taona 2024 ity, raha ny fanazavan’ny MFA hatrany. Mifandraika amin’ny andraikitra nankinina amin’ny Tafika Malagasy ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana izany ezaka izany.
Jean Claude