Mifarana ny tetikasa Impact: nisongadina ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana

Nifarana ofisialy, omaly, ny tetikasa Impact, niantsehatra betsaka tamin’ny fanatsarana ny tonton’ny fahasalamana teto Madagasikara. Tetika­sa notanterahin’ny PSI ary novatsian’ny USAID vola.
Naharitra 6 taona ny faharetany tamin’ny faritra 14, ary niantsehatra betsaka tamin’ireny krizy ara-pahasalamana no­lalovan’ny firenena ireny ny tetikasa.
Nisy ny fizarana fanafody fitsaboana ny tazomoka. Teo koa ny fitaovana fanaovana fitiliana haingana. Ankoatra izay, ny fanafody sy fitaovana fandrindrana fiainam-pianakaviana.
Olona maherin’ny 28 tapitrisa no voaaro amin’ny tazomoka vokatry ny fanapariahana ny lay misy odimoka. Olona maherin’ny 528 000 no vita vaksiny ka ny 348 000 amin’izy ireo no vita vaksiny miaro amin’ny covid 19. Olona 180 000 hafa kosa vita vaksiny mahazatra.
Tetsy andaniny, mpiasan’ny fahasalamana maherin’ny 2 000 no nahazo fiofanana mom­ba ny fitantanana tetikasa sy fahaiza-mitarika ary ny serasera. Fampindramam-bola miisa 279, mitontaly 3 200 000 dolara, amin’ireo orinasa tsy miankina misehatra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana.
Toeram-pivarotam-panafody 33 no nahazo alalana hiasa. Toerana fanaovam-baksiny miisa 6 748 ihany koa no nahazo fiofanana manokana.
Naneho fankasitrahana ny tetikasa Impact ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, sy ny minisitry ny Fahasala­mam-bahoaka, Andriamanan­tany Zely. “Nafindra ho eo ambany fitantanan’ny rafi-panjakana ny fomba fanao tsara nentin’ny tetikasa”, hoy ny minisitra.

Tatiana A

Partager sur: