Tetikasa RSE ataon’ny QIT Madagascar Minerals (QMM) ny fiaraha-miasa amin’ny faritra Anosy sy ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) any an-toerana. Nisy ny fampitaovana an’ireo tantsaha mpamboly miisa 12 000 ny alarobia teo, tany Ampasy-Nahampoana, distrikan’i Tôlagnaro.
Hetsika hanohanana ny fambolen’ny tantsaha ny natao. Nisitraka masomboly, zezika ary doria ny « Coopérative d’utilisation de matériel agricole » (Cuma). Fitaovana madinika enti-mamboly kosa ho an’ny ny koperativa. Tanjona ny hanatsarana ny famokarana, hanamafy ny fiatrehana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny fambolena. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fambolena maharitra.
Ankoatra izay, hametraka saha sekoly sy toeram-pamokarana filamatra ho an’ny fambolem-bary ihany koa ny QMM. Kendrena ny hanamafisana
ny fanofanana arakasa sy ny fampiharana ho an’ireo mpamboly ary koa hametraka ireo teknika mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tanjona ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hampiroboroboana ny toekaren’ireo tantsaha monina ao amin’ny kaominina Ampasy-Nahampoana, Mandromondromotra, Faradofay, Manambaro, Sarisambo sy Iaboakoho, Mahatalaky ary Soanierana. « Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa RSE, QMM ny fanaovana laharam-pahamehana ara-stratejika ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fampandrosoana ny fambolena », hoy ny tale mapanatanteraky ny QMM, Isabelle Wabete.
Toekarena
Vaindohan-draharahan’ny QMM ny hampiroborobo ny toekaren’ny tantsaha sy hampitombo ny fahafahany miatrika ireo fanamby ara-tontolo iainana. Voasafidy tamin’ny alalan’ny fanadihadiana natao ireo mpisitraka nahafahana namaritra ny filan’ireo tokantrano. Mino sy matoky izahay fa fanoitry ny fampandrosoana lovainjafy sy tsy mialonjafy ny fambolena, araka ny fanazavana voaray. Hanara-maso ara-teknika ireo fampiharana ny fomba fambolena maharitra ny QMM. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiara-monina sy hanohanana ny sehatry ny fambolena manoloana ireo fanamby misy amin’izao fotoana.
Henintsoa Hani