Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro faha-11 sady farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12 Mada”. Hanamarika izany ny fihaonan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny 3FB Fahasalamana. Tsy manan-tsafidy ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ity fa mila mandresy raha te ho tafiditra ao anatin’ny laharana enina voalohany, hiatrehana ny lalao sakana. Raha resy eo, tsy anisan’ireo manao izany lalao izany izy ireo. Manatombo aloha ny ekipan’i Manjakaray raha ny zava-bita. Hanala vela amin’izy ireo rahateo ny 3FB. Tsy afaka ny hanao ambanin-javatra ity lalao ity ihany koa ny FTM mba hahazoany mijanona ao anatin’ireo roa voalohany, izay tsy manao lalao sakana fa miandry ny manasa-dalana avy hatrany.
Ankoatra izay, andrasan’ny rehetra fatratra koa ny fifanandrinan’ny TFA Anatihazo, laharana fahatelo, sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra), fahefatra. Ekipa samy manana ny fahaiza-manaony ny roa tonta ka hangotraka tokoa ny fihaonan’izy ireo. Hanokatra ny fihaonana ny donan’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny STM (Savony). Heverin’ny rehetra fa tsy hahatohitra ny Cosfa ny savony, izay mitana ny laharana voalohany ankehitriny.
Tompondaka