An-dalana ny famoahana valim-pifidianana vonjimaika tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna amin’izao. Hanao ahoana? Mba ho tan-dalàna amin’izay… Fa tsy hoe tsy manaiky izay resy, na manjakazaka izay mandresy. Misy aza ireo fantatra izao fa tsy ho voafidy, nefa midrikina fotsiny izao fa misy hosoka sy hala-bato ny fifidianana. Hanova inona ny fanoherana sy ny fikasan-dratsy hanakorontana? Tsy lavina, misy hatrany ny tsy fahatomombanana. Ady fiady… Ahoana no hanarenana sy hanonerana izany? Ho amin’ny fanatsaran-javatra fa tsy voatery hikorontana na hanakorontana.
Ny politika dia politika. Na inona heverina sy atao, arakaraka ny fifandanjan-kery mbamin’ny tombontsoa iadiana na arovana. Mby aiza? Raha ny rafi-pidianana sy ny lalàm-pifidianana, ohatra, no mila arenina, ahoana no hahazoana miroso amin’izany? Izay no iadiana mafy amin’ny fakana maro anisa amin’ny andrimpanjakana mpanao lalàna. Izay no ara-dalàna, mampilamina sy mampandroso. Fa tsy hikorontana na hanakorontana lava isaky ny mihetsika… Tsy fampandrosoana ve no niadiana fo amin’ny fifidianana? Tsy voatery hoe tsy maintsy hiady an-trano hatrany amin’izany.
Tsy vitan’izay, misy rafi-pitsarana mahefa misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana amin’izay mety ho tsy fanarahan-dalàna: mila porofo, vavolombelona. Izay koa no ara-dalàna, mampilamina sy mampandroso. Hatraiza ny fanajana sy fampiharana? Tsy efan’izay fanaovana hitsin-dalana amin’ny fampiakaram-peo ny raharaha, na fandrahonana, na fampitandremana… Hatraiza ny ahazoana manao izany? Na misy vahoaka ho azo amin’izany… Mahafantatra izay ironany sy ataony ny vahoaka; eny, na tsy mihetsika sy mangina aza. Izay ny lalàn’ny maro anisa. Ny politika dia politika. Mba ho tan-dalàna amin’izay?
R. Nd.