Anisan’ny tsy mitondra « fandrosoana » eo amin’ny zavakanto ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny zava-baovao. Taona 2025, samy maminavina ny « hisongadina », anefa, ny rehetra.
Tsy ilay olo-malaza ao anatin’ny taona iray akory no lazaina eto fa ireo izay afaka hitondra zava-baovao hanamarika ny taona 2025. Ndeha horaisintsika ho ohatra ny tontolon’ny hira. Mpanakanton’ny taona 1940 – 1950 – 1960 ry Naka Rabemanantsoa, Naly Rakotofiringa, Rainizanabololona, sns, satria nitsimohan’ny hira teatraly na ny « kalon’ny fahiny » mbola manana ny lazany hatramin’izao.
Nanamarika ny taona 1930 – 1940 – 1950 ihany koa ny tarika Razafimahefa avy etsy Fenoarivo satria izy ireo no anisan’ny noraisim-peo ankalamanjana voalohany teo amin’ny tontolon’ny hira. Nanakoako ny «Mifohaza Rabetorimaso», « Ny fifaliana ry lahy », sns. Tranga izay tena nahavariana tokoa tamin’izany fotoana izany.
Taona 2025, mila zava-baovao isaky ny zavakanto
Raha ny fahitana ny tamin’ity taona 2024 ity, toa ny teo aloha ihany no navadibadiky ny mpanakanto na notohizan’izy ireo, dia izay. Tsy nahitana zava-baovao firy ny voka-kanto maro teto Madagasikara. Hany mba nisongadina ny tononkalo, ny boky sy ny fifaninanana niaraka tamin’ireo. Endrika iray manaporofo ny fahalainana hamorona sy finiavana haka tahaka be fahatany izay mitady hibahan-toerana eo amin’ny zavakanto malagasy ankehitriny. Kanefa, efa tokony ho tonga eo amin’ny vanim-potoan’ny famoronana ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Efa ela loatra no tsy nahitana zava-baovao. Impiry nisy fiakarana an-tsehatra, ohatra, ry zareo mpanao hatsikana?
…Saingy, amin’ny fomba ahoana moa no hahavitana mamorona ao anatin’ny saina tsy milamina, vatana reraka, fanahy manidintsidina? Sao mba ireo mpanakanto mahita vahaolana amin’ireo no «Mpanakanton’ny taona 2025»?
HaRy Razafindrakoto