“Noelin’ny Fitia”, eny amin’ny Kianja Masoandro. Haresaka Anatirova, manomboka anio ka hatramin’ny 24 desambra izao. Hisy seho miavaka isaky ny hariva manomboka amin’ny 7 ora, izay hifandimbiasan’ireo tarika mpanao hira fiderana. “Hiara-hiombom-po hankalaza ny Noely ao anatin’ny fitiavana sy fifampizarana” ny lohahevitra hovoizina mandritra izany. Mila maka tapakila mialoha ireo liana.
Tana Gospel Choir, etsy amin’ny La City Ivandry. Seho Noely, mazava loatra, no homanin’ny TGC rahampitso manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ireo hiran’ny noely malaza maneran-tany, saingy hataon’izy ireo amin’ny fanaovany azy izay ankafizin’ny maro izany. Anisan’ny fotoana ahitana ny TGC ity, ankoatra ireo fandraisany anjara amin’ireo hetsika maromaro mandritra ity fetin’ny Noely ity.
Nandray an’i Jean Luc Martinez, masoivoho frantsay misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny vakoka, i Mara Volamiranty Donna, minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly. Mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, momba ny vakoka sy ny mozea ny vontoatin’ny dinika. Eo ny fifanakalozana traikefa momba ny fikajiana ny vakoka, niampy ny tohin’ny asa amin’ny fampodiana ny kabeson’ny ampanjaka Toera.
Hiverina indray ny Calabria. Toeram-pialamboly nahafantarana an’Itaosy izy ity, izay efa nikatona am-polo taonany izao. Fantatra kosa fa niverina eny Antanety Ambohimamory Itaosy, ary hisokatra indray manomboka ny zoma 27 desambra izao. Raouto sy ireo mpikosoka kapila ao amin’ny Dago Mix Club no hisantatra azy. Hitohy amin’ny takariva ho an’ny tanora miaraka amin-dRappa kosa izany ny 28 desambra.