Nivoaka, omaly, ny voka-pifidianana vonjimaika farany avy amin’ny Ceni. Lany ho ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Harilala Ramanantsoa.
Lah. 1 Iarivo Mandroso, lisitra tarihin-dRazanamasy Ndriana, nahazo vato 2 197 (0,89%); lah. 2 Tia Tanindrazana, Razafinjoelina Tahina, nahazo 29 568 (11,99%); lah. 3 RTL, tarihin-dRandriamampionona Joseph Martin 3 926 (0,59%); lah. 4 Tim, Ravalomanana Tojo 89 374 (36,24%); lah. 5 tsy miankina Monja Roindefo 1 390 (0, 56%); lah. 6 Mouvement Gascar 12 536 (5,49%); lah. 7 Irmar Ramanantsoa Harilala 106 643 (43,24%). Izay ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Rafitra misahana ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika na ny Structure provinciale ad’hoc de traitement des résultats des élections communales (Spatrec), teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, omaly. Mazava ny fandresen’ny kandidà natolotry ny Irmar, Harilala Ramanantsoa. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, fa anjaran’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ny vokatra raikitra.
48,79% ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy manerana ny Nosy. 1 158 ny kaominina no misy taha mihoatra ny 50%, raha 557 ny latsaky ny 50%. Raha ampitahaina ny tamin’ny taona 2019 izay 41,03% ny taha tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ary 40,83% ny mpanolotsaina, nisy fitomboana fa tsy araka ny feo etsy sy eroa. Ho an’ny Faritany Antananarivo, 44,19 % ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy.
Natsangana isam-paritany ny Spatrec, nikirakirana haingana sy tao anatin’ny fahamarinana ny voka-pifidianana. Tsy voatery hanohintohina ny vokatra na ny fahamarinan’ny latsa-bato avokoa izay rehetra heverina fa tsy fahatomombanana. “Misokatra ny adihevitra ny amin’izany”, hoy izy. Irariany mba ho anaty fitoniana sy filaminana ny iandrasana ny voka-pifidianana raikitra.
R. Nd.