Yas Madagascar sy ny UNFPA : Manohana ny CSB II hamonjena aina

Miara-miombon’antoka ho an’ny fanatsarana ny fiainam-piarahamonina sy ny fampandrosoana lovainjafy ny Yas Madagascar sy ny UNFPA amin’ny alalan’ny fampitaovana ireo tobim-pahasalamana fototra, CSB II, eto Madagasikara. Tanjona ny hiantohana ny fiterahana sy fitsaboana ara-kalitao.

Fanamby lehibe ho an’ny ankamaroan’ireo CSB II ny fisitrahana ny herinaratra. Voatery mampiasa izay eo am-pelatanany sy ananany ireo mpitsabo mandritra ny fitsaboana ataony noho ny olan’ny delestazy na noho ny tsy fananana fitaovana mifanaraka amin’izany. Mahaton­ga ny mpitsabo mampiasa labozia na jiro amin’ny finday hamonjena aina. « Loza mitatao ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny trangan-javatra toy izany ka mampiakatra ny taham-pahafatesan’ny reny izay efa mampanahy amin’izao fotoana», hoy ny tale jeneralin’ny Yas Mada­gas­car, Patrick Pisal-Hamida, nandritra ny fifanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny roa tonta teny Andraharo, ny alarobia teo.

Fampitaovana

Kits solaires miisa 300 no omen’ny Yas Madagascar an’ireo CSB II hamaliana ny filany sy hanohanana ny tobim-pahasalamana fototra. Ireto farany izay nosivanin’ny UNFPA sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahaoaka ma­no­ka­na. « Hisahana ny fizarana ireo fampitaovana sy kojakoja miaraka aminy ny UNF PA manomboka ny janoary 2025. Anisan’ny hisitraka izany ny ao Sava, Atsimo Andrefana, Analamanga, Vatovavy, Androy, Anôsy ary Fitovinany », hoy ny solontenan’ny UNFPA eto Madagasi­kara, Goy Kishepa.

Henintsoa H.

Partager sur: