DAKA AN-JORONY: Antsibe tsara hofana ireo

Velombolo indray ny rehetra, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, fa niarina teo an-tanim-pahalavoana ny Barea de Madagascar. Nitraka rehefa kivy sy trotraka. Miramiran-tava toa diavolam-pararano satria nigoka fandresena indray rehefa nolazoin’ny tsy fahombiazana nisesisesy tao ho ao. Toy ny antsibe tsara hofana tokoa ireo mpilalao avy eto an-toerana ka tsy mena-maso amin’ny hazo. Noheverina ho tsinontsinona ka tsy nasian-dresaka firy. Nopepoina mihitsy aza saingy ny varahina no tsy sahy sedra fa izy ireo dia toy ny tangena tsara hafatra, tsy mena-maso mitsara.
Noporofoin-dry zalahy indray fa mahavita izy ireo ary afaka mandeha lavitra mitaha amin’ireo heverina ho sangany. Raha indray mandeha tokoa ve no lavo dia tsy hiarina intsony. Tsy misy mpanefy natao tsy ho may ary tsy misy olombelona natao tsy ho diso fa ny mikiribiby aman-keloka no ratsy. Fanilo hariva tsy mena-maso ny maizina.
Azo antoka fa ho avy indray ny fanindraindrana ireto mpilalao ireto. Fanasoasoana ny mpanazatra. Fanaovana hosana, hosana ny baolina kitra. Ho tonga daholo ireo sakaizan’ny mpandresy. Tandremo ny mpiantsaravelatsihy, fa ny vato hamingana tsy misehoseho, ny mamba hanaikitra tsy mikoba-drano ary ny alika handramatra tsy mivovo. Ny aretina hamono tsy mirodorodo ary ny sakaiza hamadika tsy mba ratsy vava. Ny mahery tsy maody mantsy tsy ela velona. Raha fitia tsy hifamaliana anefa ny hambo no sakafo mahavoky.
Na ho ratsy na ho tsara, ny mifanohana no tsara. Tsy misy avo mahatratra ny lanitra ary tsy misy iva voatototry ny tany. Antsibe tsara hofana nefa ireo ka tsy mena-maso amin’ny bozaka.

Tompondaka

Partager sur: