Tafiditra tamin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ny faritra (Jir), natao tany amin’ny faritra Diana, ny herinandro teo, ny fanofanana ireo mpitantana eny ifotony. Nisahana izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjiram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).
Nisitraka fampiofanana ireo tomponandraikitra eny anivon’ny kaominina miisa 66, mandrafitra ny faritra Diana. Nahatonga solontena telo avy izy ireo ka ahitana ny “Comptable de l’ordonnateur”, ny mpitambolan’ ny kaominina “Trésorier communal” ary ny misahana ny fampandrosoana eny ifotony “Agent de développement local”. Nampiofana azy ireo kosa ny avy amin’ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony (INDDL). Nifantohan’ny fiofanana ny fomba itantanana ifotony mifantoka amin’ny fampandraisana anjara ny tsirairay. Eo koa ny fanomanana drafitra fampandrosoana ary ny fitantanam-bola. Tafiditra amin’ny ho fanomanana sahady ny amin’ny handraisana ireo tomponandraikitra vaovao, ireo ben’ny Tanàna eny anivon’ny kaominina.
Nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ireo mpitantana eny ifotony ireo ny minisitra, Andriantsitohaina Naina.
Fampandrosoana ny faritra
Tsiahivina fa naharitra telo andro ny hetsika “Jir”, andiany fahafolo, ho an’ny faritra Diana. Nanamafy ny fitondram-panjakana sy ireo minisitera, niara-misalahy tamin’ny fanantontosana izany fa ilaina ny fotoana tahaka izao mba hanokafana ireo fanararaotra samihafa ho an’ny fampandrosoana ireo faritra manerana ny Nosy.
Nampiavaka ny hetsika ny fahitana ny hamaroan’ireo mpiara-miombon’antoka nanatrika izany. Samy naneho ny fahavononany amin’ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana maharitra.
Anisan’ny nitarika izany, tany an-toerana, ny Praiminisitra Ntsay Christian, sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta.
Synèse R.