Ho maro anisa ireo mpanolotsaina avy amin’ny mpanohitra ho an’Antananarivo Renivohitra raha tsy miova intsony ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Manana mpanolotsaina miisa 24 ny Irmar raha 20 kosa ho an’ny Tim. Miisa fito ny avy amin’ny Tia tanindrazana raha telo ny an’ny Mouvement Gascar. Tokana kosa ny mpanolotsaina RTM.
Naneho hevitra ny kandidàn’ny Irmar, Ramanantsoa Harilala, taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna ho an’Antananarivo Renivohitra, ny zoma teo. “Ao am-pontsika tsirairay avy Antananarivo. Hoentintsika handaminana ny tanàna sy hananganana azy ny fitiavantsika”, hoy izy. Nambarany fa tsy akoraina ny resy ary tsy hobiana ny mpahery.
Mitsipaka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni, ny Tim eny Talata Volonondry. Nambaran’izy ireo fa nitovy ny voka-pifidianana navoakan’ny SRMV sy ny voaangon’ny kandidà tamin’ny alalan’ireo PV. Nandresy ny Tim rehefa nibata ny 46,44 %. Nahazo 45,99% kosa ny kandidàn’ny Irmar. Niova izany ny zoma teo ka nandresy indray ny Irmar.
Efa navoakan’ny eo anivon’ny Ceni, nanomboka ny zoma hariva teo, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny voka-pifidianana vonjimaika ho an’ny faritanin’Antananarivo. Tsiahivina fa hitohy anio ny famoahan’ny rafitra manokana mpikirakira sy mpamoaka ny voka-pifidianana (Spatrec) ho an’ny faritanin’i Toliary sy i Toamasina ary i Fianarantsoa