“Anton’ny nitakiana sy nangatahana ny vahoaka malagasy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna hoe tohano ny kandidà manohana ny fitondrana: tsy mitady fahamarin-toerana politika intsony izao, fa efa mitady fampandrosoana”. Io ny fijerin’ny governoran’ny faritra Analamanga sady sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, tamin’ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fahavitan’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Manana ny maro anisa ao amin’ny Antenimierandoholona sy Antenimierampirenena ny filohan’ny Repoblika, tsy hita izay tsy maha marin-toerana ny fitondram-panjakana amin’izany. Fampandrosoana no atao izao: rehefa misy zavatra ataon’ny fitondram-panjakana dia mitovy loko sy fijery aminy ny ben’ny Tanàna sy ny depiote ary ny governora. Iray loha amin’ny fampandrosoana izany. Ireo depiote tsy miankina aza, manohana ny fitondrana: mahatsapa hoe rehefa miaraka amin’ny fanjakana dia mandroso kokoa. Fampandrosoana no atao izao, fa tsy ny fahamarin-toeran’ny fitondrana. Iza no afa-kanongana ny fitondrana amin’izao?
Misy olona manao izay hakorontana, ary misy olona manana tombontsoa amin’ny fikorontanan’ny firenena. Ny sasany, tena ivelomana ny fanaovana politika. “Izahay mpanao politika no nanimba ny fiarahamonina, nanimba an’ity firenena ity. Satria tsy mahalala afa-tsy ny tenanay izahay. Rehefa eo amin’ny fahefana izahay dia manindry no ataony: izahay no tena miseho ho zavatra. Rehefa tsy eo amin’ny fitondrana izahay dia manakorontana, te hiverina eo amin’ny fahefana”, hoy izy. Nefa sarotra ny hiverenana eo amin’ny fahefana.
R. Nd.