INDRAY MIJERY

Nanolotra video projecteurs miisa 10 ho an’ny sekolim-panjakana miisa folo, eto amin’ny Dren Anala­manga, ny orinasa Epson Europe BV Maroc. Nahazoana ny fitaovana ny fiaraha-miasa avy amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena, ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny haitao sy ny ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny orinasa Epson.

Moto miisa 6 no natolotry ny Jica ho an’ny CUA, hampiasain’ny Sociétè municipale d’assainissement (SMA). Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Gesda » ny hetsika. Hoentina hanaraha-maso ny fitantanana ny fako haingana sy hanomezam-baovao ireo fako tokony hoesorina eto Antananarivo ny moto.

Misitraka ny tambin-karama ireo mpiasa miisa 180 nanatanteraka ny asa Himo, ny volana oktobra teo. Afaka manao fety am-pitoniana sy am-pifaliana, araka izany, ireo mpiasa. Natao nanerana ny boriborintany enina mandrafitra ny tanànan’Antananarivo ary naharitra 20 andro ny faharetan’ny Himo, fanadiovana lakandrano.

Nihaona tany Toamasina ny fikambanamben’ny profesora eto Madagasikara, izay ivondronan’ireo profesora misehatra eny amin’ireo oniversite. Antoky ny fana­tsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny Oni­versite ny fikambanana. Tanjona ny hanomezana sehatra ifankafantaran’ireo mpikambana sy ifampizarana fahalalana sy traikefa ary handinihana ny fiainan’ny fikambanana sy ny tontolon’ny Anjerimanontolo.

Partager sur: