May niaraka tamin’ny trano fonenany, zazavavy 5 taona namoy ny ainy tao Ambaniala, kaominina Andranonahoatra, ny marain’ny zoma 20 desambra teo.
Hotohoton’ny afo, zazavavy vao 5 taona maty tao Ampefiloha, fokontany Ambaniala, kaominina Andranonahoatra, ny marain’ny zoma lasa teo tamin’ny 4 ora. Niala tamin’ny 3 ora maraina tao an-trano ny ray aman-drenin’io zaza io. “Nikarama nitatitra fasika izy ireo”, araka ny fanadihadian’ny zandary tamin’ny tompon-trano lasibatra. Navela irery tao an-trano, araka izany, ilay zaza. Tsy nisy na inona na inona narehitra anefa tao aminy. Raibeny monina tsy lavitra no nahatsikaritra ny firehetana. Naharay antso ny zandary tamin’ny 4 ora sy sasany fa may ny trano iray. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy, matin’ny fokonolona ny afo. Nosavaina tao amin’ny trano lasibatra, kinanjo zazavavy efa kilan’ny afo hany tavela teo ambony fandriana.
Ahina ho hasomparana
“Nihidy avokoa ny varavaran’ny trano rehetra tamin’ny fotoana namonoana ny afo”, hoy ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. Manahy ny tompon-trano fa niniana nodorana io trano niharan’ny fahamaizana io. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny zandarimaria miasa eo amin’ny tobim-paritra Ambohimamory. Ankoatra ny famoizana aina, levon’ny afo ny fandriana, ny lamba rehetra hatramin’ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro tao amin’io tokantrano lasibatra io. Raha tsiahivina, am-polony ny haintrano nofehezin’ny mpamonjy voina teto Antananarivo Renivohitra tao anatin’ny herinandro vitsy.
Tsiferana R.