Manova fomba fijery

 

Miakatrakatra ny vidim-bary amin’izao, miakatrakatra ny feon’ny sasany amin’ny zotram-pifidianana, miakatrakatra ny tahotra sy fanahiana korontana… Mba miakatrakatra koa ny fomba fijery amin’izany? Tsy vitan’ny fitabatabana ny raharaha, na fampitahorana, na fandrahonana… Mila atrehina mazava: inona no hatao? Tsy ilaozan’izay manararaotra na inona mitranga sy atao. Izay no ifanaraha-maso: iza no manao inona, aiza ary mankaiza? Tsy miakatrakatra fotsiny amin’izao, ohatra, ny vidim-bary fa misy antony ao. Toy izany koa ny amin’ny zotram-pifidianana tsy mety mahafa-po ny sasany, ny tahotra sy fanahiana korontana…
Fampandrosoana ifotony no hoe atao? Mila jerena ifotony izay olana sy vahaolana: tsy atao safobemantsina, na odian-tsy hita… Raha tsy izany, miverimberina lava sy tsy mahafa-bela. Tena misy ve ny finiavana sy fahavononana amin’ny famahana olana? Tsy sarin’ady no atao na zavatra hafa no kendrena amin’izany… Misy ny mamadika izay mitranga sy atao rehetra ho misy antony sy dika ary vokany politika hatrany? Izay no anisan’ny mampiverimberina lava ny olana sasany eto amin’ny firenena: misy tsy fifampitokisana, fifampiandrasana kendry tohina, fifanilihana andraikitra… Tombontsoan’ny tena manoloana tsinona no mahamaika sy manetsika ny sasany?
Raha ny olan’ny vahoaka tokoa no zava-dehibe, tsy tokony hiombonana sy hampiombona ve? Indrindra ny mpanao politika… Dia izay no mahatonga ny hoe samy mampiakatraka-peo amin’izay tandrify azy sy mahamety azy? Tsy misy izay fifampitokisana nefa samy eto ihany, tsy misy izay fifampitsinjovana nefa olana iraisana, tsy misy izay fifanomezan-tanana nefa lalàna iraisana… Izay no anisan’ny mahamafy sy mahasarotra ary mahaela ny hoe fampandrosoana? Manova fijery raha te hiova sy hanova…

R. Nd.

Partager sur: