Nitondra ny fijeriny momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina teo ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Tombony ho an’Antananarivo ny fananana ben’ny Tanàna vehivavy, araka ny nambarana.
“Fantatsika fa tombony betsaka ho an’ny tanànan’Antananarivo ny fananana ben’ny Tanàna vehivavy”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sady mpikatroka eo anivon’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Sahondrarimalala Marie Michelle, teny Alarobia, ny faran’ ny herinandro teo, taorian’ny fanambaran’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika tamin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Araka ny notenenin’ny kandidà Harilala Ramanantsoa, nandritra ny fampielezan-kevitra hoe: ”ho tsara kolokolo Antananarivo, an’ny rehetra. Izay no maha zava-dehibe izany, satria Ambohipihaonan’i Madagasikara ny eto Antananarivo: renivohitr’i Madagasikara, an’ny Malagasy rehetra”.
Miarahaba an’ireo kandidà rehetra lany tamin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Ceni izy. Zava-dehibe ny fifidianana, satria endrika iray ahitana ny demokrasia. Hita fa betsaka ny kandidà avy amin’ny vovonana Irmar voafidy eto amin’ny faritanin’Antananarivo. Eo amin’ny 130 eo ny kandidà Irmar no voafidy ho ben’ny Tanàna amin’izany. Anisan’ny manamarinan-toerana ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fahalanian’ireo ben’ny Tanàna maro manerana ny faritanin’Antananarivo. Indrindra ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra, izay hita fa voafidy tamin’ny salanisa ambony dia ambony ny kandidà Irmar, i Harilala Ramanantsoa, araka ny nambarany.
R. Nd.