Noelin’ny mpiasa: Niara-faly ny mpiasa eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina

Niara-nitotorebika sy nilanona ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina,
ny sabotsy teo. Fety nanehoana ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo amin’ny rehetra izy io.

Nankalaza ny “Noelin’ny mpiasa” niaraka ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina, ny sabotsy lasa teo. Natao tetsy amin’ny Manoir Orimbato Antehiroka ny lanonana niarahan’ny rehetra. Nitarika ny fety tamin’izany ny tale jeneralin’ny orinasa, minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina sy ny zanany, Andriantsitohaina Lalaina. “Fety natao hanehoana firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa ny anton’ny fihaonana”, hoy ny minisitra, nandritra ny kabariny. Nambarany fa natao hanaovana jery todika ny asa hatramin’izay mba hoentina manatsara ny fomba fiasa sy ny orinasa ihany koa. Tanjona ny hampiainana ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo amin’ny mpiasa.

Niverina rehefa nisy fiatoana

Fety fanaon’ny orinasa ny fankalazana ny Noelin’ny mpi­asa tahaka izao. Nosokafana tamin’ny vavaka fohy ny fihaonana. Nitohy tamin’ny fandraisam-pitenenana izany avy eo ary notohizana tamin’ny alalan’ny fandihizana. Nisy ny fiaraha-misakafo ihany koa, avy amin’ny orinasa.
Nahafaly ny ankamaroan’ny mpiasa ny fety natao satria nahafahan’ny rehetra niara-nitotorebika sy niara-paly. “Fo­toana iray na­hafahan’ny mpiasa samy mpi­asa mifankafantatra ihany koa izy io”, hoy ireo mpiasa na­nontaniana. An­koatra izay, ani­san’ny nandrasan’ny maro tamin’ny fihaonana sy ny fandraisam-pitene­nan’ireo mpitantana ny hire­sahana mahakasika ny fisondrotan-karama. “Tsy hijanona amin’ity taona ity ihany fa hatao isan-taona ny hetsika fankalazana tahaka izao”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny vondrona, Rabehaja Prisca. Hisy ny fi­hainoana ny hetahetan’ny mpi­asa taorian’iny fihaonana iny, entina ha­natsarana ny fomba fiasa sy ny orinasa, raha ny fanazavana voaray.

Mino

Partager sur: