Fanamby goavana no tontosa. Mozika tsara kalitao, seho nihazona ny maso sy ny sofina, nandona ny fanahy. Voasoritra ny lalan’ny Reko Band… Dingana goavana eo amin’ny tantaran’ny tarika malagasy iray izany nisedra ka nahita fahombiazana ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina izany. Tontosan’ny Reko Band anefa izany, nandritra ilay seho famaranana ny “Reko Tour 2024”’ eto Antananarivo, omaly.
Tsy hoe lafatra tanteraka, tsapa kosa ny ezaka lehibe tao ambadiky ny fanatontosana ny seho. Tara iray tamin’ny fotoana nifanomezana vao nanomboka izany. Efa sasa-niandry ireo mpankafy tonga namonjy mialoha ny fotoana, vao niakatra i DJ Cyemci, izay nampiditra ny hafanan’ny seho. 20 minitra taorian’izay, tazana niditra ny sehatra ireo mpitsoka zavamaneno sy mpively amponga: Ny Bandy Baraka Band sy ny Tambours Gasy, vahinin’ny Reko sy nampiditra azy ireo. “Io aho io” ny hira niarahana voalohany izay efa tao anatin’ny hafanana tanteraka, hany ka toa nisosa ho azy avokoa ny ambiny.
Tsy ireo ihany ny vahinin-dry Fy sy ny tariny fa maromaro ireo mpiray tsikombakomba amin’ny mozika, namaly ny fanasan-dry zalahy. Tazana tao koa ry Masnad, VDL, Anisha Jo, sns. Porofon’ny fivelaran’ny tarika eo amin’ny mozika izany. Maromaro koa ireo hira niarahan’ny iray lapa niredona satria nalefa ho an’ny rehetra ny tononkira, fa ny nafana indrindra tamin’ireny ny “Hafa mihitsy”, “Mitonia”, “Tsara kokoa”, sns.
Tohin’ny lesoka mila harenin’ny mpikarakara: tsy navelan’ireo notampohim-pahefana mba nomena andraikitra bitika hampiditra teo am-bavahady ireo mpanao gazety, liana sy hitatitra ny akony. Soa fa tsy sakana ho an’ny fampahalalam-baovao, ary enga anie tsy hanohina ny lalan’ny Reko Band izany.
Zo ny Aina