Notontosaina teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina lavalava “rugby”, XXL Top 12. Tsy nisy ny vokatra tsy ampoizina, mbola manjaka tanteraka amin’ ity fifanintsanana ity ireo klioba vaventy, toy ny Cosfa Miaramila sy ny FTM Manjakaray.
Raha ny voka-dalao azo teny an-toerana, nomontsanin’ny Cosfa tamin’ny isa mavesatra, 76 no ho 9 ny ekipan’ny savony. Nampiseho ny heriny nanoloana ny 3FB kosa ny mpilalao avy etsy Manjakaray. Resin-dry Koroka, mpilalaon’ ny FTM, 94 no ho 8, ny klioban’ny fahasalamana.
Azo lazaina, araka izany, fa efa tafita amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny klioban’ny FTM sy ny Cosfa. Raha ny lojika, mety izy roa ireto no hanao ny lalao famaranana. Tsiahivina fa efa zatra mifanandrina eo amin’ny famaranana ireto klioba roa ireto. Tsara marihina fa mitarika eo amin’ny laharana voalohany, XXL Top 12, ny Cosfa ary faharoa ny klioba tompondaka farany XXL Top 20, FTM Manjakaray.
F.R