TARATRY ny KANTO

“Mozika an-dalambe”. Hetsika natao hanandratana ny mozika, andaniny, fa indrindra ho fanasoavana ny mpiara-belona, ankilany, izy ity. Mpanakanto maro no nifandimby tetsy amin’ny Carrefour Ankorondrano, ny sabotsy teo. Mizara mozika sy manentana ny mpiara-belona hanome izay foy ho an’ireo sahirana eto an-tanàna izy ireo. Mbola hitohy amin’ny sabotsy 28 desambra izao izany.
Haka bahana ho an’ny taona 2025 indray i Dama sy i Erick Manana. Tontosa ny sabotsy hariva teo, tao amin’ny CRJS Toamasina, ny seho faharoa niarahan’izy mirahalahy. Taorian’ny tetsy amin’ny CCEsca, iny no fotoana faharoa nentin’izy ireo nanomana ny mpankafy ho an’io taona ho avy io. Fitetezam-pirenena maro no efa nomaniny, fa hisy ihany koa ny eto Madaga­sikara, ka ireo renivohi-paritany mbola tsy nandray ny seho indray no hahazo tombony.
Nizara ny traikefany i Fety. Tsy nandalo fotsiny fa nanokana fotoana nifaneraserany tamin’ireo izay liana amin’ny mozika voiziny ity mpanakanto ity. Nisy ny “ma­sterclass” izay notarihiny, narahina fampisehoana ny fa­ran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cités des Cultures Anta­ninarenina sy La Teinturerie Ampasanimalo.
Mbola seho Noely hatrany no notontosain’ny Tana Gospel Choir, omaly, tetsy amin’ny La City Ivandry. Nitety ireo hira krismasy iraisam-pirenena ny TGC, ankoatra ireo hira efa nahafantarana azy ireo hatramin’izay. Rindra nahafinaritra, nitazona ireo mpijery hatramin’ny farany izany.

Partager sur: