Tra-doza tetsy Ivandry : tsy maty fa manaraka fitsaboana ilay lasibatra

Ho fanitsiana ny vaovao nivoaka tamin’ny gazety Taratra, laharana faha-6284, pejy faharoa, ny zoma 20 desambra lasa teo, tsy maty sady tsy niparitaka loha, ilay lehilahy tra-doza nitondra moto teny Ivandry, ny alarobia 18 desambra lasa teo. Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo. Nezahin’ireo nanatri-maso nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana io lasibatra io. “Manaraka fitsaboana izy”, araka ny fanamafisan’ny fianakaviany. Na izany aza, niseholany ny lozam-pifamoivoizana teto an-dRenivohitra, tao anatin’ny herinandro vitsy lasa. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana fatratra sy fanarahana ny lalàn’ny fifamoivoizana ihany no ahafahana misoroka ny loza.

Tsiferana R.

Partager sur: