Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray tao Ambavahaditany, fokontany Antanimbary, kaominina ambanivohitra sy distrikan’i Maevatanàna, ny sabotsy tolakandro tamin’ny 1ora sy 30 mn. Taksiborosy Sprinter miasa ao amina kaoperativa iray eny Ambodivona no nivadika tampoka vokatry ny fandehanana mafy. Niala teto an-dRenivohitra hihazo an’i Mahajanga ity taksiborosy ity. Vaky tampoka teny an-dalana ny kodiaran’ny fiara amin’ilany havanana kanefa nandeha mafy ny fiara. Vokany, tafahodina tamin’ny rindrin-tany amin’ny sisin’arabe ny fiara. Raha ny fahitana azy, tafahodina tanteraka ny lohan’ny fiara. Ankizilahy 9 taona maty tsy tra-drano satria nidona mafy tao anaty fiara. Olona fito hafa naratra mafy ka nentina haingana namonjy ny hopitalin’i Maevatanàna. Nentina nanaovana fanadihadiana ao amin’ny biraon’ny zandary kosa ny mpamily. Anisan’ny mampitaraina ny olona ny fandehanana mafy ataon’ireo mpamily sasany ao amin’ity kaoperativa ity ka tokony hojeren’ny tomponandraikitra satria milalao ain’ olona. Manginy fotsiny ny haratsian’ny lalana nefa mirimorimo mandefa tsy misy toy izany.
Jean Claude