Voka-pifidianana : Nisy nisandoka ny tranonkalan’ny Ceni

Namoaka fanambarana ofisialy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Vaomiera nasionaly misahana ny fifidianana Ceni fa nisy nisandoka ny tranonkalan’izy ireo, ny sabotsy 21 de­sambra teo. Nafamadiky ny olon-dratsy tamin’izany ny voka-pifidianana ben’ny tanàna ka nataon’ny mpisoloky ho nandresy ny kandidà laharana fahefatra ho an’ny eto an-dRenivo­hitra. Niova ho faharoa kosa ny kandidà izay navoakan’ny Ceni fa nibata ny fandresena. Nandray fepetra teo no ho eo, voasambotra ny olona iray voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fanapariahana io vokatra diso sy nisandoka ny tranonkala io. Mpiasa eo anivon’ny Ceni ihany io notanana hatao fanadihadiana io. “Fankahalana ny filoha tsotra izao no anton’io tranga io”, araka ny fanampim-panazavana voaray teo amin’ ny tomponandraikitra anivon’ity Vaomiera manokana misahana ny fifidianana ity. Manao ny fomba rehetra hamerenana amin’ny laoniny ny tranonkala izy ireo amin’izao fotoana.

Randria

Partager sur: