Ankatoky ny faran’ny taona: Hentitra ny fanaraha-maso ataon’ny fadintseranana

Tohizana ny fampiasana ireo alika mpitsongo dia, hampiasaina ireo fitaovana moderina mampiasa faharanitan-tsaina artifisialy famantarana hosoka, hiara-hiasa akaiky amin’ireo sampana miasa eny amin’ny sisintany ny fadintseranana.

Ireo no fepetra apetraky ny fadintseranana malagasy eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piara­manidina ary ny sisintany, amin’ izao ankatoky ny faran’ny taona izao. Fo­toana izay ahitana fitomboan’ny fifa­nakalo­zana ara-barotra sy ny fivezivezena betsaka. Ireo rafitra ireo dia natao hanamafisana ny fanaraha-maso manerana ny faritry ny firenena, indrindra amin’zao vanim-potoan’ny fety izao. Araka izany, hentitra ny fanaraha-maso, koa manentana ireo mpandraharaha ara-toeka­rena rehetra ny fadintseranana hanaraka ny fitsipika mifehy sy manan-kery ary hilaza haingana raha misy fihetsika mampiahiahy amin’ny alàlan’ ny laha­rana maitso 360.

Trafika

Fotoana fanararaotan’ny mpanao trafika isan-karazany ny faran’ny taona tahaka izao. Porofon’izany ny volamena 13,875 kg tratra andro vitsy lasa teny Ivato. Noho izany, hamafisina ny fanaraha-maso amin’ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo. Ampiasaina ihany koa ireo fitaovana vaovao toy ny saina vokarin’olombelona ka hiara-hiasa feno amin’ny « ny brigade cynophile » ny fadintseranana. Ho hentitra ihany koa ny fanaraha-maso amin’ireo « caméras de surveillance ». Hama­fisina ny fifandrindrana sy ny fifampizarana vaovao eo amin’ny sampandraharaha rehetra.
Napetraka ireo fepetra ireo nandritra ny « réunion tactique » teny amin’ny fadintseranana rehetra manerana an’i Mada­gasikara, ny herinandro teo. Hetsika atao isan-taona amin’ny vanim-potoana toy izao, hanamafisana ny fifandrindrana.

Henintsoa Hani

Partager sur: