Baolina kitra ho an’olona dimy : Hampiantrano ny “Mondial 2025” i Madagasikara

Sambany teo amin’ny tantara! Handray anjara amin’ny fifaninanana maneran-tany, hatao eto an-tanindrazana, amin’ny taranja baolina kitra lalaovin’olona dimy, i Madagasikara. Tsy mbola fantatra ny daty.

Notontosaina teny amin’ny orinasa Yas An­draharo, omaly, ny va­landresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety, niresahana manokana mahakasika ny baolina lalaovin’olona dimy “Foot à 5”. Noresahina tao ny fampiantranoana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ity taranja ity, eto Madagasikara, ny taona 2025.
Araka ny fanazavana azo tamin’ny mpikarakara, miisa 30 ireo firenena maniry ho avy eto an-toerana, saingy noferana ho 16 hatramin’ny 20 eo ihany izany.

Nomarihin’Andrianaivo Tsimbina, solontenan’ny tomponandraikitra ny Kianja Ba­rea Mahamasina, sady mpikarakara fa tsy mbola voafaritra ny fotoana hanatontosana ity fifaninanana goavana ity.
Tonga nanatrika izany teny an-toerana ny filohan’ny Federasiona iraisam-pirenena, Foot à 5 MFIF, Karim Moghaddam. Efa nitsidika ireo kianja rehetra eto Antana­narivo ny tenany.

“Manana kianja manara-penitra mitovy amin’ireo any Eoropa ny Malagasy. Azo inoana fa hahomby ity tetikasa hatao eto Madagasikara ity. Tanjona amin’izany ny hampisondrotra ireo mpilalao avy eny ifotony sy ny hampiakarana azy ireo amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, hevitr’i Karim Moghaddam, lehiben’ny MFIF.

Ekipam-pirenena

Mialoha ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity, hanao lalao nasionaly, hotanterahina eto Madagasikara, ny mpikarakara mba hahafahana mitily ireo mpilalao mendrika ho antsoina anaty ekipam-pirenena. Raha ny fanadihadiana natao, hiainga avy eny anivon’ny fokontany izany ary hiparitaka isaky ny faritra. Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao ny volana marsa ho avy io ity fifaninanam-pirenena ity.
Ny volana janoary 2025 no hanaovana ny fampiofanana mpanazatra sy mpitsara amin’ity taranja ity. Ampahafanta­rina fa 15 taona no ho miakatra no afaka milalao amin’izany ary tsy mila kara-pilalaovana matihanina.

Fitia Randria

Partager sur: