Magazay fahatelo ao Toamasina, aorian’ireo roa eto an-dRenivohitra, no entin’ny CT Motors Madagascar, solontena ofisialy Bosch amin’izao fankalazany ny fahatelo taonany izao. Manao tolotra isan-karazany ny Bosch CT Motors amin’ny fikirakirana sy fikojakojana fiara isan-karazany. Izy izay miavaka amin’ny fahaiza-manao amin’ny fikirakirana ireo teknolojia alemaina. Mitondra vahaolana mifanaraka amin’ny filan’ny mpamily samihafa ny fomba fiasa ataony noho izy manana tolotra ara-kalitao sy fitaovana moderina ary teknisianina voaofana amin’ny fenitra apetraky ny Bosch. Tolotra isan-karazany manomboka amin’ny « diagnostic électronique » hatrany amin’ny fikojakojana mekanika sy elektrika no hita ao amin’ilay magazay ao Toamasina. Matihanina tanteraka ny fomba fiasa, mahazo tombony amin’ny fanaraha-maso mialoha sy ny fanamboarana haingana ny fiarany ireo mpamily. Misy any an-toerana avokoa ireo piesy Bosch ilaina. « Dingana lehibe amin’ny fanitarana ny tambajotra ny fisokafan’ny magazay ao Toamasina. Fanirianay hatrany ny hanakaiky ny Malagasy sy hanome tolotra tsara sy azo antoka tanteraka ho an’ny rehetra », hoy ny tomponandraikitry ny CT Motors, Rzafindrakoto Patrick.
Henintsoa H.