Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny sabotsy teo, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana rongony. Saron’ny polisy teo Ambohijatovo, ny 18 desambra 2024 tamin’ny 9 ora alina, izy roa lahy ireto, niaraka tamin’ny rongony tanaty gony miisa 24. Nentina tamina fiara 4×4 ireto zava-mahadomelina ireto. Nandritra ny fisafoana fanao mahazatra nataon’ny polisy no nahatrarana azy roa lahy somary nampiahiahy. Voalaza fa somary mafampana ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra ka niroso tamin’ny fisavana ireo fiara mivezivezy ny polisy. Anisan’ireo nandalo fisavana ny fiara nentin’izy roa lahy. Hita tao anatin’izany ireo gony marobe feno rongony ireo. Nentina natao fanadihadiana ireo roa lahy tao anaty fiara. Nandritra ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa mbola misy rongony 22 gony, mitontaly 385 kg, nafenina amina trano iray eny Alasora. Nogiazan’ny polisy avokoa ireo zava-mahadomelina ireo. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity fikasana hanaparitaka zava-mahadomelina eto an-dRenivohitra ity.
J.C