Voasambotry ny zandary tao Antsahananamirongo, vakim-paritra Ankaramy anivo, fokontany Antsahampano, kaominina ambanivohitra Nosibe, distrikan’i Vohémar, ny sabotsy teo, ireo mpivady mpanao trafikana taolam-paty. Nahazo fampitam-baovao mialoha ny zandary momba ny fisiana taolam-paty hita ao anaty lavaka. Tsy fantatra izay tompon’antoka tamin’io halatra taolam-paty io. Tonga haingana teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB1 Antsahampano mba hanao fanadihadiana momba ity raharaha ity. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa mpivady tao amin’io fokontany io no tompon’antoka tamin’ity halatra taolam-paty ity. Nosamborina izy mivady saingy tsy mbola nilaza ny fasana nakana ireo taolana marobe ireo. Nomen’ny zandary ireo fokonolona ny taolana mba halevina. Mitohy ny famotorana azy mivady. Ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Daraina no mandray an-tanana ny raharaha.
Jean Claude