Mila hifangaro ny hoe krismasy sy krizy mafy amin’izao? Na efa saika zary fomba fitenin’ny sasany ny hoe krismasy ao anaty krizy mafy… Ao anatin’ny fahasahiranana lalina ny maro amin’izao fiatrehana ny fetin’ny Krismasy izao, raha tsy hiteny afa-tsy ny fidangan’ny vidim-piainana, ohatra. Voalohany sy lehibe amin’izany ny vidim-bary. Manginy fotsiny ny fiatrehana ny asa famokarana amin’ity haintany noho ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny orana, ny tsy fandriampahalemana efa ho lava, ny tahotra sy fanahiana korontana politika noho ny vava be na vava ratsin’ny mpanao politika sasany…
Na izany aza, tsy maintsy atrehina ny fetin’ny Krismasy: tsy azo dinganina na odian-tsy hita. Mby amin’ny hoe atao izay mety fa tonga ny fety? Araka izay vita, araka izay tandrify ny tena, araka izay mahasoa fa tsy hoe mahafinaritra fotsiny… Izay atao ho vita ihany, fa ny manary lavenona no manahirana sy mety ho raharaha raha tsy mijery lavitra. Ahoana ny aorian’ny fety? Mananjara ny sahy, fa ny tsy ampy ho lava. Fetin’ny kristianina ny Krismasy tany an-tendrony. Efa lasa fetin’izao tontolo izao amin’izao: atsahatra ny ady sy ny fifandirana, avitrana ny fihavanana…
Fifaliana sy famalifaliana no betsaka? Famalifaliana tena, famalifaliana ny hafa. Izay mahafinaritra no atao, izay mahasoa indrindra koa. Ndeha ho vizana noho ny fialamboly ve, ohatra? Mety mahafinaritra fa tsy mahasoa. Mety hitondra na hitondrana fahavoazana aza, na faty antoka, na… Ny amisavisana ny ratsy mba hiavian’ny soa? Dia mirary Krismasy finaritra sy sambatra ho antsika rehetra; eny, na eo aza ny hoe krizy mafy. Misy hatrany izay sahaza ny tsirairay na ny isan-tokantrano. Krismasy? Mikiriza mafy… Miarahaba ny rehetra mahatratra soa ny Krismasy!
R. Nd.