Mirehitra ny afo ao Toliara : Tsy manaiky voka-pifidianana ny mponina

Tsy manaiky ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Structure provinciale Ad’hoc pour le traitement des résultats des élections communales (Spatrec) ny mponina ao Mitsinjo Betanimena. Voalaza fa samy hafa ny vokatra navoakan’ny SRMV Toliara II, ny 16 desambra 2024 teo, sy ny vokatr’ity rafitra voalaza etsy ambony ity. Araka izany, nirohotra nitokona manoloana ny biraon’ny faritra Atsimo sady nandoro kodiarana ny mponina ho fanehoana ny tsy fankasitrahana io vokatra io. Marihina fa tompon’ny teny farany ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Saingy, tsy nahandry izany ny vahoakan’i Mitsinjo Betanimena. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nandamina ity raharaha ity. Tsy nety niala teo amin’ny Lapan’ny faritra rahateo ireo vahoaka nanao sakana tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana. Nanao izay ho afany tamin’ny fifehezana ireo vahoaka mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro filaminana. Tsy mbola nisy, araka izany, ny fisamborana na fanimban-javatra, na teo aza ity toe-javatra ity.

CMS

Partager sur: