Niparitaka ny lohany : Vazaha frantsay maty nitifi-tena

Niparitaka hatreny amin’ny valin-drihana ny atidohan’ny teratany frantsay iray maty nitifi-tena tao an-tranony, ao amin’ny fokontany Motombe/Tanambao, kaominina ambanivohitr’i Betsinjaka, Toliara II, ny 20 desambra 2024 teo…

Teratany frantsay 84 taona ity maty nitifi-tena ta­min’ ny basim-borona misy vavany roa monina ao amin’ny fokontany Motombe/Tanam­bao, Toliara II, ity. Hita faty ni­hosin-dra tao amin’ny efitra fandroana izy. Niparitaka teo amin’ny rindrina, hatreny amin’ ny valin-drihana, ny atidohany. Tsy nisy namantarana azy in­tsony ny endriny rehefa nogorobahan’ny bala. Nahazo antso fanairana avy amin’ny ben’ny Tanàna lefitra ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Betsin­jaka ny zandary momba ny fisian’ity frantsay namono tena ity. Nidina haingana teny an-tranony ny zandary niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna sy ny dokotera ao amin’ny CSB2, ka voamarina tokoa izany. Nifa­nome tanana tamin’ny zandary nandritra ny fitsirihana sy ny fanadihadiana ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Baza­ribe/Toliara. Hita tao amin’ny efitra fandroana, mifanila amin’ ny efitra fatoriany ny fatiny. Tsy misy akanjo ny ambony. Efa voasasan’ny vadiny sy ny zaodahiny mialoha ny nahatongavan’ireo mpitandro filaminana ny vatana mangatsiakany. Efa nampirimin’izy ireo koa ny basy nolazaina fa nitifirany ny lohany.

Famoizam-po…

Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina momba ity raha­raha ity ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava. Voalazan’ny zanany vavy fa poa-basy in­dray mandeha no henony nivoaka tao amin’io efitra fidiovana io. Tsy nampoizin’ireo fianaka­viany fa hoe hamono tena ity frantsay ity. Voalazan’ny loharanom-baovao hafa fa resaka famoizam-po no nitarika azy ho namono tena, saingy ny valin’ny fanadihadiana ataon’ ny zandary no mamaritra ny marina momba izany. Efa nomena ny fianakaviany ny razana taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitandro filami­nana sy ny dokotera. Nentin’ny polisy kosa ilay basim-borona voalaza nitifirany ny tenany.

J.C

Partager sur: