Mizara hafaliana amin’ireo ankizy marary ny Orange Solidarité Madagascar amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao. Ankizy maherin’ny 900 eny anivon’ireo tobim-pahasalamana manerana ny faritra no nisitraka fanomezana avy amin’ny fikambanana. Niara-nisalahy, nilatsaka an-tsitrapo, nitety ireo tobim-pahasalamana sy hopitaly isan-karazany ireo mpiasa maherin’ny 100 avy ao amin’ny Orange Madagascar sy ny fikambanana. Omaly, tonga nizara fanomezana teny amin’ny hopitalin’ Ambohimiandra, Tsaralalana, Homi, ary Befelatanana izy ireo nitondra kilalao, boky ary sakafo isan-karazany ho an’ ireo ankizy. Nanao izany hetsika izany ihany koa ireo mpiasa avy ao amin’ny Orange Madagascar any amin’ny faritra, toy ny ao Maintirano, Nosy Be, Mahajanga, Toliara ary Ambanja. Velon-tsiky sy miran’endrika avokoa ireo ankizy nahazo ny fanomezana. Fotoana mamy niarahan’ny roa tonta nifampizara fifaliana. Nihanoka tanteraka sahady tao anatin’ny fetin’ny Noely ny rehetra. Nifampizara fitiavana fa indrindra ny fihavanana izay mampiavaka antsika Malagasy.
« Zava-dehibe ny fizarana sy ny firaisankina amin’izao fetin’ ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao », hoy ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, i Benja Arson.
Henintsoa H.