Iray amin’ireo firenena manana ny fototra rehetra ijoroany ny Malagasy. Manahirana ny vahiny ny fisian’izany ka nomontsaniny tamin’ny fomba rehetra. Anisan’izany ny finoana sy fivavahana.
Mivavaka ny Malagasy. Notsipahin’ny vahiny izany ka nolazainy fa: «fony mbola tao anatin’ny vanim-potoana maizina ny Malagasy…». Noho ny fanajany ny zavaboahary, nahay nampiasa ny raokandro ny Malagasy. Nahodin’ny vahiny izany ka nambarany fa: «milalao ody ratsy ny Malagasy ka ny mamorika no hainy…». Teny an-tampon-kavoana no nivavaka ny Malagasy. Navadiky ny vahiny izany ka nolazainy fa: «manompo sampy sy mivavaka amin’ny herin’ny ratsy ny Malagasy», sns. Tratran’ny vahiny ny tanjona tiany hilalaovana sy hampizarazarana ny Malagasy.
Maro ny Malagasy, roboka, nanara-dia ny vahiny. Nianatra na naka tahaka ny nataony. Nino ny inoany. Nivavaka tamin’ny nivavahany (nivavahan’ny vahiny). Nanao ny nataony… Tsy nijanona teo fa niankohoka tamin’ny niankohofany. Very fototra ny taranaka Malagasy. Tsy mahafantatra ny momba azy fa mirehareha amin’ny momba ny hafa.
… Mifandrafy amin’izay avy eo
Rehefa samy nandrimbina kely tamin’ny zava-bahiny. Nifamaly, niady, nifandrafy amin’izay ny Malagasy. Voazarazaran’ny fivavahana nentin’ny vahiny ny ankohonana, ny mpianakavy, mpihavana, mpiray vodirindrina, ny mpiaramonina, sns. Nanjary tafiditra ao anatin’ny fanadihadiana fanaon’ny Malagasy mialoha ny fanambadian-janany ny hoe: «aiza ry zareo no mivavaka? Na, inona ny finoan-dry zareo ?…». Nahazo toerana goavana be eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ny finoana sy fivavahana nentim-bahiny. Tratran-dry zareo ny tanjony!
… Tsy ho ela ny fanamarihana ny Krismasy 2024. Noho ny fanazavan’ny vahiny, ao ny mankalaza izany fa misy koa ireo « tsy manisy vidiny » io fetim-bahiny io. Tratran’ireo mpanjakazaka an-tanin’olona ny tanjony, satria, voazara ny Malagasy!
HaRy Razafindrakoto