Manoloana ny fiparitahan’ny vaovao diso momba ny voka-pifidianana, mampitandrina ireo minia manao izany ny Emmo/Nat. Miteraka savorovoro sy korontana izany, araka ny nambarany.
Ankehitriny, misy minia manaparitaka vaovao diso eny anivon’ny tambajotran-tserasera sosialy momba ny valim-pifidianana, araka ny nambaran’ny komandin’ny Zandarimarim-pirenena, ny jeneraly Rakotomalala Jean Hubert, notronin’ny avy amin’ny Tafika sy ny Polisim-pirenena, teny Alarobia, afakomaly. Manoloana ny fanelezana vaovao tsy marina noho ny fisian’ny fidirana antsokosoko amin’ny site web namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika, Faritanin’Antananarivo. Miteraka savorovoro sy korontana izay. Mampahatsiahy ny eo anivon’ny Emmo/Nat fa fandikan-dalàna ny fanaparitahana vaovao diso momba ny valim-pifidianana. Tsy maintsy mandray fepetra ny mpitandro filaminana hiarovana ny filaminana. Manentana ny tsirairay ho mailo, hiandry amim-pitoniana ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana.
Raha misy ny fifanolanana, aoka hitondra izany eny anivon’ny fitsarana mahefa izany.
Tsy mandefitra amin’ireo mikasa hanohintohina ny filaminana ny Emmo/Nat. Tsy maintsy tandremana ary arovana toy ny anakandriamaso ny filaminana ho tombontsoan’ny besinimaro sy ny firenena.
Nizotra amim-pilaminanana ny fifidianana natao tamin’ny 11 desambra lasa teo. Isaorana ny tsirairay nanatanteraka ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena tao anatin’ny filaminana. Ao anatin’ny fotoana aorian’ny fifidianana amin’izao fotoana izao. Mba ho fiarovana sy hisian’ny filaminana dia mitandro hatramin’ny farany ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana ny mpitandro ny filaminana.
R. Nd.