CHU HJRA : Manampy ny marary rehefa fety ny fikambanana

Fikambanana maromaro no tonga manao asa soa eny amin’ny hopitaly rehefa fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona. Tsy diso anjara tamin’izany ny HJRA Ampefiloha.
Nisy ny Krismasin’ny marary, izay fanao isan-taona. Nizarana kojakoja ilaina andavanandro ho an’ireo marary sy ny mpanaraka ny marary tao an-toerana. Teo ny Aumônerie Protestante nanome ny tolo-tanana tamin’izany. Nitondra fanomezana ho an’ireo ankizy tsaboina ao amin’ny sampandraharaha mitsabo ny ankizy voan’ny homamiadana kosa ny Lions Club Farafangana. Nahitana kilalao sy zava-mamy izany.
Ankoatra izay, nanolotra kidoro ho an’ny “Maison pour accompagnateurs” ny fiangonana Advantista mitandrina ny andro fahafito hanatsarana ny toerana ipetrahan’ireo fianakavian’ireo marary avy lavitra.
Na dia any amin’ny hopitaly aza dia tiana ny hitondra hafaliana ho an’ireo tsy salama ka mendrika ny tohana amin’ny fanampiana sy fanotronana izy ireo, hoy ireo malala tanana.

Tatiana A

Partager sur: