Antoka lehibe hampandrosoana an’i Madagasikara ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanovana ara-toekarena. Nitsidika ny orinasa Star, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra (JIR) andiany faha-10 tany Antsiranana, ny herinandro teo, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny (MAE), Rafaravavitafika Rasata. Tao anatin’ izany no nijerena ny politikam-pampandrosoana atolotr’io orinasa io ho an’ny faritra. Nilaza ny minisitra fa efa maro ny indostria miorina any amin’ ny faritra avaratra toy ny orinasa mpanodina ny harena anaty rano SFOI, ny mpanamboatra sambo Secren, ny mpamokatra zava-pisotro Star ary ireo orinasa madinika sy salantsalany samihafa.
Tetikasa
Mifanandrify amin’ny tetikasa One District One Factory (Odof) ny JIR. Tanjona ny hanodinana ny vokatra isam-paritra ahafahana mampirisika ny Malagasy hamokatra ny eto an-toerana ny filana andavanandro. Marihina fa nahafahana nanasa ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha avy eto an-toerana sy avy any ivelany ny JIR. Tafiditra tao anatin’ izay ireo mpiara-miombon’ antoka sy tomponandraikitra isan-tsokajiny. Tsiahivina fa nampahafantarina ireo fanararaotra rehetra misy any amin’ ny faritra Diana. Miainga avy amin’izany ny paika handrindrana izay tokony ho atao hamoahana ny vokatra, hanatsarana ny fari-piainan’ny rehetra ary hampitomboana ny asa any an-toerana.
Henintsoa H.