Nampita hafatra Noely tahaka ny mahazatra ny eo anivon’ny fiangonana amin’izao fetin’ny Krismasy izao. Samy niantso ny handala ny fahamarinana sy ny fihavanana avokoa izy ireo.
Navoitran’ny filohan’ny FFKM, ny Rev. Rakotozady Denis, tamin’ny hafatra nampitainy ny hananana ny fanahin’ny fampihavanana. “Karakarao izany ary aoka hijoro amin’ny fahamarinana isika ao anatin’ny fiainana anjakan’ny fihavanana”, hoy izy. Nirary soa sahady ny hahatrarana ny taona 2025 koa ny filohan’ny FFKM ka mba ho taona hampihavanana sy hifanakaikezana izany. “Ampirisihana isika mba hijoro ho vavolombelona sy ny fahatahorana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana andavanandro”, hoy ihany izy.
Nambaran’ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, kosa amin’ny hafatra Noely fa tsy tokony hanao Krismasin’i Heroda, Krismasin’ny maty eritreritra. “Jamban’ny fifikirana amin’ny sezany ka nitady ny fomba rehetra hamonoana ny fahamarinana. Aza manao Krismasin’i Heroda. Maty fanahy ka sahy mandainga ankitsirano sy mihatsaravelatsihy, mba tsy hamelana ilay marina hiseho”, hoy izy. Nanteriny ny tsy hanaovana tahaka ny Krismasin’i Heroda. Mihorohoro sao misy manongana ka nampiasa ireo maramilany hamono ireo zaza menavava! Mpanjaka adala nomem-pahefana, ka aleony ny vahoakany no haripaka hiarovana ny sezany, raha vao nandre fa nisy mpanjaka vao teraka. Nentaniny ny rehetra hanao Krismasin’i Jesoa. Nietry hamonjy, hianaran’ireo tia deradera, miedinedina. Tsy ny vahoaka no nataony sorona hifikirany amin’ny maha mpanjaka Azy! “Nampitraka ireo mpiondrika ambany, variana amin’ny fiainana an-tany, ireo jamban’ny vola, ireo jembin’ny fahefana, nampitraka azy ireo mba hisaina ka hiala amin’ny ratsy fanao… “, hoy izy.
Ho an’ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, fa tonga ny Mpamonjy hanala antsika anatin’ny fitiavan-tena… Nanteriny fa ao ireo tsy manome hasina ny nahatongavan’i Jesoa ka manitsaka ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny. “Tsy mbola tara fa mibebaha. Ovay ny fo ary maneke ny famonjena”, hoy izy.
Synèse R.