Fanondranana harem-pirenena : Zana-tsokatra 112 saron’ny zandary

Fiara roa samihafa, nahatraran’ny mpitandro filaminana zana-tsokatra an-jatony, teny Antehiroka, ny 24 desambra teo. Hiakatra fampanoavana anio ireo voarohirohy.

Nogiazan’ny zandarimaria ireo zana-tsokatra mitotaly 112 nasitrika tao anaty fiara miisa roa teny Antehiroka, afakomaly. Nanao fisavana tampoka nandritra ny alin’ny 24 desambra ny mpitandro filaminana. Voasakana ny fiara iray voalohany. Nam­piahiahy ny mpanao fisavana ny fihetsiky ny mpitondra izany. Nosavaina, nahitana sokatra miisa 107 tao anatin’ny fiara. Natao ny fanadihadiana, no­kasaina entina antsokosoko any ivelany ireo karazam-biby arovana sy ahina ho lany tamingana ireo. Ankoatra io, nitohy ny fanaraha-maso ireo mpivezivezy amin’ny alina ataon’ny zandary teny an-toerana. Fiara iray hafa, nahatrarana sokatra miisa 5. Nasitrika anaty sakaosy, mbola nokasaina haondrana koa ireo harem-pirenena ireo. Nentina nihazo ny tobin’ny zandarimaria avy hatrany ireo nahatrarana izany. Notanana ireo sokatra mitotaly 112. Niroso tamin’ny famotorana lalina, hatolotra ny fampanoavana anio ny raha­raha. Marihina, voararan’ny lalàna ary iharan’ny sazy en­jana ireo minia mikasa na manondrana antsokosoko ny karazam-biby arovana toy ireto tratra teny Antehiroka, afakomaly ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: