Nirary Noely feno fitiavana ny filoha Rajoelina Andry tao amin’ny tambajotra sosialy amin’izao fankalazana ny Krismasy, andro nahaterahan’i Jesoa Kristy Tompo izao. Mba ho fanantenana ho anao sy ny ankohonanao izany, araka ny nambarany. “Andriamanitra anie hitahy sy hanazava ny lalana diavintsika ary hitari-dalana antsika hatrany”, hoy izy.
Nirary soa ho an’ny vahoaka malagasy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, amin’izao fahatongavan’ny Krismasy izao. Niarahabany sy nirariany soa koa mba samy hahatratra ny taona vaovao ka mba ho zina sy ho feno fanambinana ny taona 2025.
Nanolotra fanampiana, kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) ny depiote, Andriampandry Todisoa noho ny fetin’ny Noely. Nisitraka izany ireo zokiolona eny Avaratanana sy Ambatolampy Ambohimanarina. Nisitraka kilalao sy vatomamy ary kojakojam-pianarana koa ireo ankizy sahirana eny an-toerana.
Masoivohon’i Madagasikara atsy Seychelles indray ny Jly Camille Vital. Nanolotra ny taratasy manendry azy tamin’ny mpitondra any an-toerana ny tenany, afakomaly. Tsiahivina fa efa praiminisitra izy ary efa solontenan’i Madagasikara tao amin’ny biraon’ny ONU any Genève. Efa masoivoho tao Maurice koa nialoha izao fanendrena izao.