INDRAY MIJERY

Nandray fepetra manokana ny ATT, mandritra ny faran’ny herinandron’ny fety, hahafahana mamaha ny olana sy mampandeha ny raharaha hatrany. Mbola hisokatra ny ATT amin’ny toerana maro ho an’ireo izay hitondra taxi-borosy na taxi-be ivelan’ny lalana mahazatra ka haka ny fahazoan-dalana manokana amin’izany.

Amin’izao ankatoky ny fety izao, manafatrafatra ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny mety hahatonga ny fahapozinanana ara-tsakafo. Anisan’izany ny entana efa lany andro eny an-tsena na ireo sakafo efa simba vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fitehirizana azy.

Manamafy ny toro-lalana amin’ny fampiasana ny dabam-pako ny CUA ao anatin’ny fety. Voalazan’ny lalana fa manomboka amin’ny 4 ka hatramin’ny 8 ora alina ny fanariana ny fako eny amin’ny dabam-pako. Andoavana sazy vonodina ny tsy fanarahana antsakany sy andavany izany lamina izany.

Ao anatin’ny fety sy ny fotoana maha be olona, tsy tokony hatao antsirambina ny fiambenana ny ankizy madinika. Mila nitandrina na amin’ny zavatra ohaniny na amin’ny zavatra sotroiny mba tsy hitera-doza. Tsy tokony hovariana anaty fety aman-danonana ny lehibe fa hijery matetika ny ankizy na ao an-tokantrano aza.

Partager sur: